Politique

Hery Rasoamaromaka “Tsy tokony ho sakana ny tsy fitovian-kevitra ara-politika”


  • Zoma 27 Novambra 2020

Tosika lehibe amin`ny fanatratrarana tanjona amin` ny lafiny fampandrosoana eto

 

 

amintsika ny fifanomezan-tanan` ireo olom-panjakana eny ifotony sy amin`ireo mpanatanteraka ihany koa. Notsindrian` ny governoran’Analamanga, Hery Rasoamaromaka, omaly fa efa maro ireo asa notanterahiny teto anivon` ny faritra izay namaly ihany koa ny filan`ny eny ifotony. Tsy azo ihodivirana kosa ny fanamboaran-dalana izay havokavoky ny toekarena amin`ny lafiny rehetra. Tsy tokony ho sakana ny fampampandrosoana rahateo ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, hoy ihany izy. Notontosaina tetsy amin` ny lapan` ny fanatanjahantena Mahamasina omaly moa ny andro iraisam-pirenena ho an`ny faritra (JIR) ka ny faritra Analamanga no nisantarana ny andiany voalohany. “Analamanga, fitaratra ho an`ny fampandrosoana ifotony, ain-dehiben` ny fisandratan`i Madagasikara” no lohahevitra amin`izany. Ny tanjona moa dia ny hanohanana ny fampandrosoana miainga amin`ny faritra amin` ny alalan` ny vovonana manokana mba hahafahan`ireo mpiantsehatra isan’ambaratonga hifanerasera sy hifanakalo-hevira ho amin`ny fampandrosoana maharitra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT