Politique

Hery Rasoamaromaka “Tsy tokony ho robaina ny fananan’olona !”


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011


“Izahay efa vonona tanteraka raha izany fifidianana izany nefa ny rehetra no efa nanapaka dia izay no arahina”, hoy i Hery Rasoamaromaka, mpandrindra ny antoko TGV eto Analamanga. “Tokony hifanaraka ny rehetra”, hoy izy, “fa ny hevitry ny maro an’isa no efa nekena fa efa tokony ho faranana amin’izay ity tetezamita ity”.

Mikasika ny dinika iarahan’izy ireo amin’ny UDR sy ny TIM teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola dia nanambara ity mpitarika ao amin’ny antoko TGV ity fa ho tazonina izay hevitra efa tapaka tamin’izany. “Ny TGV”, hoy izy, “dia manaiky ny fifampiresahana hatrany ary maniry indrindra ny hidiran’ny rehetra ao anatin’ny fitondrana tetezamita iombonana, indrindra ry zareo ao amin’ny Ankolafy Telo. Raha sanatria moa tsy izay no zava-misy dia akory atao fa “roso toy tsa mipody koa”, hoy ny fitenenana.
 
Ny dinika moa raha ny marina, hoy ihany i Hery Rasoamaromaka dia niompana tamin’ny tokony hitanan’ny ankolafy Ravalomanana ny toeran’ny filohan’ny Kongresy, ka hanoloana an’Atoa Raharinaivo an’i Mamy Rakotoarivelo (izay soson-kevitra ihany efa nentina any amin’ny Filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, Andry Rajoelina) saingy taty aoriana dia miitatra ka tonga hatrany amin’ny hevitra hoe : fiverenan’ireo filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana nefa efa voasoaratry ny fifanarahana fa tsy mody an-tanindrazana izy raha tsy milamina tsara ny tanàna. Mikasika ity farany moa dia nanambara mazava i Hery Rasoamaromaka fa tsy ankasitrahany velively ny fandrobana ny fananan’ny olona (fakana vary etsy sy eroa ê, fiarakodia sy trano atsy sy ary ê sns….) fa raha misy ny raharaha tokony hitakiana famerenana vola na zavatra voahodina na tahaka izany dia aleo ny fanjakana hanao ny asany hanao izany fitakiana izany araka ny lalàna misy. 
 
Nangonin’i Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT