Politique

Hery Rakotomanana “Betsaka ny ezaka nataonay CENI”


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Na dia teo aza izay mety ho tsy fahatomombanana rehetra satria ny manao

 

 

 

zavatra tsy mora dia niezaka araka izay vitany ny CENI nanao izay hahalavorary ny fifidianana, raha ny nolazain’ny Filohany Atoa Hery Rakotomanana omaly nandritra ny famoahana ny voka-pfidianana loholona vonjimaika. Betsaka ny fanovana, tsy moramora no nandray ny fanapahan-kevitra isan-tokony, hoy izy. Isan’izany ny nambarany tamin’izany ny faneken’ny CENI ny hitsirihana ny lisi-pifidianana mba ahafantarana ny lesoka ao anatiny, ahafahana miroso amin’ny tsara kokoa amin’ny fitantanana azy; ny naneken’ny CENI ny hitsirihana ny kajy mirindra na rindram-baiko hialana ny tsy fahatokisana mitoetra any anatin’ny tsirairay; ny naneken’ny CENI ny hitsirihana ny entana nampiasaina tamin’ny fifidianana nandritra ny fifidianana filoha, fanekena ny fampitoviana ny CV amin’ny fitanana an-tsoratra ao amin’ny CENI, fanokafana ny sehatra tamin’ny mpiara-miombon’antoka mpanao gazety firaisamonim-pirenena, fisokafan’ny CENI tamin’ny sehatra mpanara-maso ny fifidianana teto an-toerana sy avy any ivelany,... Mora tononina fa sarotra ny nanatanterahana azy, hoy ny Filohan’ny CENI, izay nilaza fa tafapetraka tamin’ny filaminana avokoa ireo andrim-panjakana eto amintsika, ka izao dia ao anatin’ny fandaniana ireo loholona vaovao. Na inona na inona anefa ambara fa asa natao, dia nahabe resaka ny fifidianana nisesy, toy ny resaka “doublons” izay ny Filoha lefitra tao anatin’io rafitra io no namaky bantsilana azy, ary tonga hatrany amin’ny fanadihadiana parlemantera. Na tafapetraka aza ireo andrim-panjakana, hita taratra fa tsy maha marin-toeran’ny mpitondra hatramin’izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT