Politique

Hery Rajaonarimampianina Vahiny manokan’ny Filoha Ivorianina


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Vahiny manan-kajan’ny Filoha Ivorianina Alassane Ouatarra tamin’ny

 

 

 

fanokanana ny « Institut de Formation politique Amadou Gon Coulibaly » ny zoma 8 janoary teo ny Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tanjona amin’io Ivon-toeram-pampianarana ambony io ny hananana olona manana ny maha izy azy sy hanandratana ny tanora Ivorianina mba hisy lanjany amin’ny asa, ny fahaiza-manao, ny fahintsiana,… Mpampianatra mpikaroka sady mpahay toekarena rahateo i Hery Rajaonarimampianina, ankoatra ny naha Filoham-pirenena Malagasy azy. Tsy vao izao ihany koa no niantsoan’ny Afrikanina ity Filoha Malagasy teo aloha ity, izay manamafy ny fifandraisany amin’ny sehatra maro samihafa na tsy Filoha intsony aza, ka isan’izany izany ny sehatra iraisam-pirenena, ny Malagasy mpila ravinahitra any ivelany na ny diaspora,… Talohan’io tany Côte d’Ivoire io, ny 7 janoary teo, dia nisy ny resadresaka nifanaovany tamin’ny Gazetiboky Jeune Afrique, izay nilazany fa manaraka akaiky ny fiainam-pirenena izy. Manaja ny fifandimbiasana ara-demokratika, ary nanamafy fa izy no Filoha Malagasy voalohany tonga tamin’ny fomba ara-demokratika sy niala am-pahendrena. Mikasika ny fiainam-pirenena, dia nambarany fa karazana vovoka mifafy eny amin’ny mason’ny vahoaka ny fampanantenan’ny Filoha ankehitriny. Nampahatsiahy ny vokatra tamin’ny fitondrany, toy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena i Hery Rajaonarimampianina. Mamela ny Filoha ankehitriny hiasa an-kahalalahana anefa i Hery Rajaonariampianina, raha ny nambarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT