Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy tokony hitavozavoza ny mpitondra


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Raisiko ho andraikitra ny mampahery anao sy ny manome torohevitra vitsivitsy hiatrehana izao zava-doza tsy roa aman-tany izao, hoy ny hafatry ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina miantefa amin’ny Malaagsy.

 

 Mahery vaika sy mihazakazaka ity aretina ity. Noho izany, dia ny fandrasan’ny tsirairay ny andraikitra tandrify azy ihany no fiadiana voalohany handresena azy io. Fotoana tokony hisehoan’ny fahaiza-mitarika na « leadership » eo amin’ny fitondram-panjakana ny fotoana tahaka izao, ka handraisany fanapahan-kevitra haingana, tsy amin-tahotra, na fitavozavozana na fiambakavakana (en cohérence et en responsabilité) satria mihazakazaka ny fivoaran’io raha ny zavatra hita amin’ny tany maro no jerena. Ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra haingana sy matotra dia miteraka fisavorovoroan’ny saim-bahoaka sy fikorontanan’ny fiarahamonina. Anjaran’ny mpitondra no manome toky ny vahoaka ao anatin’ny mangarahara ny fahampian’ny famatsiana ara-tsakafo, fanafody, ny filana andavanandro,… Tena antoka lehibe ho an’ny fitoniana ny mangaraharaha. Aoka tsy hisy feo na hevitra maro mifanipaka. Tsy fotoanan’ny fiarovan-tena izao na fanamaivanan-draharaha, na fanilihana andraikitra. Tsy fotoanan’ny fifanenjehana sy herisetra ihany koa. Mila arovana ireo sehatra sy orinasa miodina ao anatin’ny krizy : solika, herinaratra, sakafo,… Mila mangarahara amin’ny volam-panjakana atokana hampiasaina hiatrehana izao ady izao. Atsaharo na ampiatony ny fandaniana tsy mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana. Miantso ny rehetra handray andraikitra sy hiray hina satria miatrika dy. Araho ny toromarika avy amin’ny fanjakana. Niantso fifanomezan-tànana ny Filoha teo aloha. Misy fiantraikany betsaka amin’ny toekarena io, ka mila mametraka paikady mazava ny mpitondra. Mitaintaina amin’ny fivelomany ny Malagasy. Misy fanapahan-kevitra tokony horaisina hanomezan-toky sy hanohanana ireo orinasa tsy miankina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT