Politique

Hery Rajaonarimampianina Tavela irery…


  • Talata 21 Mey 2019

Tsy ankitsitsy mihitsy hatramin’izay nijoroan’ity fitondrana vaovao ity ny fanenjehana ireo lazaina ho tsimatimanota.

 

 

Vao nanamafy moa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary fa mitohy izany ary tena mbola ao anatiny isika amin’izao. Niatomboka tamin’ireo mpandraharaha, Mbola Rajaonah sy ry Eddy Bois de rose. Nandalo tamin’ny tale jeneralin’ny fananantany, Hasimpirenena Rasolomampionona. Nidoboka koa avy eo ny loholona Berthin Andriamihaingo ary ankehitriny moa dia io mifaramparana io ny fanadihadiana mikasika ireo depiote teo aloha miisa 79 voarohirohy ho nanao kolikoly avo lenta teny amin’ny Paon D’or Ivato. Rehefa jerena ireo ao anatin’ireo voalaza sy ahiahiana ho tsimatimanota ireo dia saika mpiara-dia tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina avokoa. Ny ankamaroany aza dia mpikambana eo anivon’ny antoko politika HVM, izay tarihiny mihitsy. Ity antoko ity izay tsy ahenoana feo intsony rahateo. Raha mitohitohy anefa ny toy izao dia ahiana ho akanga sisa nanamboran’ny HVM mihitsy ny filoham-pirenena teo aloha satria izy irery izany izao no hany tena fantatra fa manana antoka fa mety tsy ho sahin’ny fitondrana ankehitriny hosamborina. Ny fanontaniana mipetraka hatramin’izao moa dia ny hoe tena ady amin’ny tsimatimanota tokoa ve no misy ankehitriny sa mbola valifaty politika toy ny hatramin’izay hatrany ?

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT