Tonga hatrany Bamako, renivohitr’i Mali ka hatrany Abidjan, renivohitr’i Cote d’Ivoire ny fanamiana misy ny sarin’ny filoham-pirenena Malagasy teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina.
Ny tena nahatsikaiky dia isan’ireo mpitolona ho an’ny fialan’ny filoham-pirenena Maliana izay vao niongana afak’omaly, no tsikaritra ho nanao ny fanamiana fotsy sy manga misy ny sarin’i Hery Rajaonarimampianina teo am-pitolomana. Hita ho misy afrikanina mankafy ihany koa araka izany ireo mpanao politika Malagasy na dia miha mahantra hatrany aza ny firenena. Ity filoham-pirenena ity moa izay tsarain’ireo mpanara-baovao ho filohan’ny fifandanjan-kery teto amin’ny firenena na hoe “l’équilibre”. Nisy fotoana ihany koa nanao karazana famelabelarankevitra tany Afrika izy ary efa filohana delegasionina mpanaramaso ny fifidianana ihany koa.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny taona 2009 ihany koa, nandritr’ireny krizy teto Madagasikara ireny, dia namoronan’ilay mpanakanto ivoirianina, Fadal dey, hira manokana nitondra ny lohateny hoe "Ravalomanana, c'est le peuple qui t'a choisi " ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.