Mety tsy ho kandida ho filoham-pirenena intsony ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, raha ny loharanom-baovao iray tsy mbola ofisialy voaray omaly,
raha ny mikasika ny fifidianana amin’ny taona 2023 no resahana. Nisy ireo naminavina tetsy ankilan’izay na izany aza fa hanao fiverenana amin-kery aza ity filoha mpanorina ny antoko politika HVM ity tany amin’ny fiandohan’ny taona tany. Iaraha-mahalala anefa ankehitriny ny fiainan’izany antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara izany. Sedra izay efa nitranga tamin’ireo antoko politika nalaza sy noheverina fa filamatra tamin’ny atao hoe etika teto amin’ity firenena ity toy ny Leader fanilo sy ny MFM io. Nalaza mihitsy tany amin’ny 5 taona lasa tany izany Leader Fanilo elatra Zafera Antoine sy Leader Fanilo Elatra Jean Max Rakotomamonjy izany. Miseho indray ankehitriny ny HVM elatra Rivo Rakotovao sy elatra Mohamed Rachidy. Nisafidy ny handamina ny olana anatin’ny antoko ve izany ny filohan’ny sary mangamanga? Leo ny politika misy eto amin’ny firenena ve? Tsy mahatoky ny fikarakarana fifidianana ve? Hivaly tsy ho ela!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.