Politique

Hery Rajaonarimampianina “Latsaka an-davaka ny firenena, manana adidy isika”


  • Alatsinainy 13 Desambra 2021

Niditra mivantana, nitondra hafatra ho an’ireo mpikatroka HVM ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy teo, nandritra ny fihaonana ao anatin’ny famelomam-maso ny antoko ny sabotsy teo tetsy Andraharo.

 Notsipiany fa mijoro amin’ny soatoaviana amin’ny fanajana ny fihavanana, fanajana ny Fanjakana tan-dalàna, fanajana ny lalàna sy lalàmpanorenana, fanajana ny demokrasia,… ny HVM. Nanamafy Filoha teo aloha, fa ain-dehiben’ny firenena ny fanajana ny fahalalahana ara-toekarena. Tsy maintsy miasa anefa ary ny vokatry ny asa no mitondra ny fahombiazana na eo amin'ny tsirairay na eo amin'ny firenena. Tsy nihambahamba i Hery Rajaonarimampianina nanamafy ny voalazany ny 06 novambra teo, fa latsaka an-katerena ny firenena, mbola tsy nisy tahaka izao, rehefa mijery ny antontan'isa avy amin'ny Vondrona Iraisampirenena, eny fa ny avy eto an-toerana aza. Nitotongana ny fiainam-pirenena, mitombo isan'andro ny elanelan'ny mahantra sy manan-karena. Miakatra ny vidim-piainana, tsy misy ny asa, tsy misy rano, tsy misy jiro,... Sahirana mbola tsy nisy tahaka izao ny Malagasy, ka izay no mahatsara ny fihaonana handinihana ny ho avin'ny Firenena, hijery ny lalàna hamoahana ny firenena, hoy izy. Notsindriany fa efa nametraka ny « Fisandratana 2030 » izy ireo, izay nanandratana ny hambompom-pirenena faran'izay avo amin'ny fomba matotra hitondrana ny firenena. Isan'ny lalantsaina goavana ny fanandratana ny maha olona. Mila miova ny toe-tsaina hoenti-mitondra ny firenena. Fanajana ny soatoavina, fihavanana, ny fanabeazana amin'ny ankampobeny sy ny olom-pirenena. Tsy maintsy ao anatin'ny fitoniana politika no ahafaha-manao izany satria tsy afaka misintona ny mpampiasa vola, Vondrona Iraisampirenena,… izay tena ilaina amin’ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana, raha ny nambarany. Nilaza ho efa nanoritra sori-dàlana, efa nametraka fijery lavitra na “vision à long terme” ny HVM, nijery ny fotodrafitrasa fototra,.. Efa nametraka ny seranam-piaramanidina Ivato, Seranantsambo Toamasina. " Ataovy tahaka ny lesona ny lasa, toko tapaka vilany mitongilana ireny, ka izay tsy mety harenina. Avondrona ny hery fa mbola manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana isika, manana adidy ny tsirairay amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy i Hery Rajaonarimampianina.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT