Hery Rajaonarimampianina

> Voatery namafa ny laza ratsin'i Nosy Be


  • Alarobia 12 Febroary 2014

In-droa nitsidika ny Faritra DIANA sahady i Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny tapa-bolana nandraisany fahefana.

Ny alahady 26 janoary 2014, ampitson’ny nanaovany fianianana, nametrahana azy tamin’ny toerana maha filoham-pirenena izy dia tonga tany Antsiranana niara-niombom-bavaka tamin’ny mpino katolika tao an-toerana nandritra ny lamesa voalohany notarahin’ny Arseveka vaovao, Mgr Ramaroson Benjamin Marc. Omaly talata 11 janoary 2014 indray, nifanandrify indrindra tamin’ny fahatsiarovana ny nahafatesan’ny kolonely Ratsimandrava Richard dia tany Nosy Be ny tenany. Tsy tongatonga ho azy na kisendrasendra izao dia matetika any avaratra izao, fa ao raha. Mafampana, nanjakan’ny herisetra iny faritra DIANA iny amin’ny afitsoky ny “Foroches” ary nanampy trotraka ny zava-nitranga tao Ambatoloaka izay nandoroana velona vazaha roalahy, Frantsay sy Italianina, voatondro ho mpangala-jaza sy mpanao trafikana taova. Tranga izay nandratsy laza an’i Nosy Be, ary nahatonga azy ho voasokajy ho “faritra lôranjy” nefa mba toerana mahasarika mpizahatany ihany. Tsy maintsy nanao izao dia mateti-piavy izao i Hery Rajaonarimampianina, mba tsy hilazana fa voatery, mba hamafana io tabilao ratsin’i Nosy Be io, hanomezana toky ny vahiny, indrindra ny Frantsay na dia voan’ny tondra-drano sy rakotry ny kijeja miantso vonjy aza ny any Miandrivazo sy Belo amoron’i Tsiribihina. Nisy rahateo omaly ny fanolorany fitaovana toy ny fiara sy moto ary finday hanamora ny asan’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fokontany. Ankoatra io dia nafindrany toerana ihany koa ny lehiben’ny Distrika tao Nosy Be.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT