Tsy mbola mandray fahefana akory ny filoha vaovao Hery Rajaonarimampianina dia efa maro be ny resaka re etsy sy eroa momba ny hoavy politikany.
Mahoraka be tato ho ato fa mangatsiaka ny fifandraisany amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mba tsy hilazana hoe efa tena tsy mifankahazo intsony mihitsy ny roa tonta. Maro amin’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita no tsy dia mahazoazo an’i Hery Vaovao. Avy any amin’izy ireo no nandrenesana tsiliantsofina fa misy ny zavatra tsy mety eo amin’ny fifandraisan’ny filohan’ny tetezamita sy ny minisitry ny vola teo aloha. Ankehitriny vao tsapa fa tena nanana ny fomba fijeriny manokana i Hery Rajaonarimampianina, ary raha ny tiany dia tsy nanohana azy mihitsy i Andry Rajoelina satria tsy te hijoro ho olon’ny fitondrana tetezamita ity kandidan’ny Hery Vaovao ity, fa araka ny anarana isalorany dia olom-baovao no sary tiany haseho ny Malagasy sy izao tontolo izao. Tsy nanaiky anefa fa nisisika ihany i Andry Rajoelina ary nanambara tamin’ny mpanao gazety vahiny tamin’ny 09 novambra, taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany fa anisan’ireo kandida tohanany i Hery Rajaonarimampianina. Nitsipaka izany ity farany, taty aoriana vao nifanazava tao Ambohitsorohitra ny roa tonta dia nalamina moa ny resaka avy eo.
Hita soritra ankehitriny fa samy manana ny ekipany i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina. Azo antoka ihany koa fa misy amin’ireo ekipan’ny tsirairay ireo no mitady toerana. Ny filoha voafidy tamin’ny alalan’ny fifidianana no afaka manome toerana. Efa manomboka tsy kaonty intsony ny filohan’ny tetezamita fa ampitovian’ny olona amin’ireo filoha teo aloha rehetra. Mipetraka ny fanontaniana, moa ve hanaiky izany mora foana i Andry Rajoelina izay efa namono tena nanao propagandy tamin’ny fihodinana faharoa ary efa nirehareha tetsy sy teroa fa noho ny fidirany an-tsehatra no nampitombo ny vato azon’i Hery Rajaonarimampianina ? Mandeha ny feo fa tsy hahavita hatramin’ny farany ny fotoam-piasany izy ary ny MAPAR ihany no mety ho ao ambadiky ny fanonganana. Resaka tena mitombina ve izany ? Ho hita eo izay fivoaran’ny raharaha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.