Taorian’Antsiranana ny alahady teo dia Toliara renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana indray no nanohizan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fivoahany ofisialy.
Zava-bita maro no notokanany tamin’izao diany izao, toy ny fahavitan’ny tohodrano ao Andoharano ravan’ny rivodoza Haruna, izay novatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na BAD vola. Tao ihany koa ny trano vaovaon’ny fitahirizan-dra «bac de sang» ao amin’ny hopitalibe. Omaly io koa no nametrahana ny vato fehizoro teo amin’ny PK+00 amin’ny hanamboarana ny lalam-pirenena faha-9 mampitohy an’i Toliara sy Morombe, tao Antaninarenina. Minisitra enina niampy ny Tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana sy ny solontena maharitry ny BAD eto amintsika no nanotrona ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny diany omaly tany Toliara. Ny lehiben’ny faritra, Jeneraly Robert kosa no nitarika ny solontenam-panjakana any an-toerana.
Tomefy mpianatra sy olona hatrany ny arabe na dia nidanika aza ny hafanana. «Vonona hampandroso haingana an’i Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana ny tenako ary hotanterahiko avokoa ny fampanantenako rehetra», hoy i Hery Rajaonarimampianina, nanome toky sahady ny vahoaka. Ilaina noho izany ny firaisankinam-pirenena sy fitoniana hitondra amin’ny tena fanovana hivoahana amin’izao fahantrana mangitsokitsoka izao. «Enga anie ka hiadam-pinaritra amin’izay ny vahoaka Malagasy, ka ho lavitry ny kobaka am-bava sy fampanantenana poak’aty nahazatra ka nampikorosy fahana ny fiainany hatramin’izay, fa eo ny Hery Vaovao», hoy ny nasetrin’ireo ankolafin’olona samihafa sendra anay.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.