Tena hita mibaribary izao fa ho sarotra ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny hanangana fanjakana matanjaka satria misimisy ihany ireo zavatra tsy voafehiny. Toa mifamadika ny zava-misy satria ny olona nampandany azy tamin’ny fifidianana no toa lasa manohitra na manery azy, fa ny olona nifaninana taminy kosa no toa indro indray fa manampy azy.
Mahafantatra tsara ingahy filoha fa tsy misy azony atokisana tanteraka na ny MAPAR, na ny ankolafy Ravalomanana raha fanaovana politika no resahana satria samy mbola mieritreritra ny hiverina eo amin’ny fitondrana ireo ankolafy roa ireo. Resaka efa mazava be izany. Ka hanao ahoana ary izany ny paikady hampiasain’i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany ? Mifototra amin’ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra ve sa hiroso amin’ny fanambatambazana amin’ny endriny rehetra ? Sa tonga dia hanenjana ny fitsipi-dalao ka hampandany lalàmpanorenana vaovao mihitsy ? Samy sarotra ireo safidy ireo, ary samy mila fotoana maharitra ny fanatanterahana azy, ny manahirana ao anatin’izay rehetra izay dia mety hikatso ny asa fampandrosoana ary adino indray ny zavatra tena ilain’ny vahoaka, dia ilay fanovana ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa izany. Azo sary an-tsaina sahady amin’izao fiaingany izao fa mety handamina sy hametraka ny fototra fotsiny aloha i Hery Rajaonarimampianina mandritra ny dimy taona, fa aorian’izay raha toa ka mbola voafidy ho filoha izy vao afaka tena hanomboka hiasa amin’izay. Maharitra an’izany ve anefa ny vahoaka izay efa tena mahantra ? Sa afaka iray na roa taona dia raikitra indray ny fanonganam-panjakana ? Efa misy mihitsy aza ny olona mihevitra sahady fa tsy hahatody hatramin’ny farany ilay fotoam-piasana dimy taona i Hery Rajaonarimampianina, fa na mametra-pialana na miongana ho azy eo. Ary tsy iza fa ireo nanosika azy ho kandida filoha sy nanao ny fomba rehetra hahalany azy ihany no handrodana azy, efa manana traikefa ny amin’izany mantsy izy ireo. Ary enga anie ka madio fa tsy tafiditra amina afera maizina i Hery Rajaonarimampianina fa raha tsy izany dia tena ho mora dia mora ny hamingana azy amin’ny alalan’ny famoahana fotsiny ny dosie.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.