Manomboka mampametra-panontaniana ny maro ankehitriny ny fahasahian地y filoha Hery Rajaonarimampianina miady amin地y mpanao afera maizina eto amintsika ? Tsy olona iray na roa mantsy izy io fa tambajotra goavana, ilay antsoina amin地y fiteny vahiny hoe : 溺afia�.
Manam-bola, manana olona anaty fanjakana, manana mpanohana any ivelany, eny manana mpiaro hatrany amin’ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana aza. Ny anaran’ireo mpanao afera maizina dia efa fantatra, maro ny mpanao gazety manana dosie momba azy ireo, nisy tamin’izy ireo no efa nandalo fitsarana saingy toa afaka moramora… Ny tena azo antoka aloha dia mahafantatra zavatra i Hery Rajaonarimampianina e ! Minisitry ny vola izy nandritra ny fitondrana tetezamita. Maro be ny zavatra tsy mazava nitranga teto nandritra ny tetezamita. Ny manitikitika ny saina fotsiny dia nadio tanana tokoa ve ingahy filoha, sa izy aloha izao no lehibe eto dia enjehiny izay rehetra tiany henjehina ? Tena misy vondron’olona mangoron-karena eto, ary samy vavolombelona mahita ny fananganan’ny olon’ny tetezamita trano mijoalajoala amina faritra maro manerana ny Nosy ny rehetra. Sarotra ny hino fa olona roa na telo taona teo amin’ny fitondrana dia mahatsangana trano fandraisam-bahiny, hotely, trano filanonana, “villa” mitentina am-polony miliara Ariary. Nampiroborobo ny afera maizina ny tetezamita ary tena nanaratsy endrika an’i Madagasikara izany. Tsy mantsy manadio ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha te hahazo ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena, fa raha mbola hitohy ihany ny gaboraraka tahaka ny niainana nandritra ny 5 taona dia hiongam-potsiny eo izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.