Ho any Etazonia ny alarobia ho avy izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Anton-diany amin’izany ny fihaonana amin’Atoa Ban ki Moon Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena. I Washington renivohitra sy New York ilay tanànan’ny vola moa no voatondro fa handehanany. Mazava ny resaka eto fa dia miasa mafy ny amin’ny fomba hamerenana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana vaovao, hita ihany ny naha minisitry ny vola teo aloha an’i Hery Rajaonarimampianina fa tonga dia any amin’ny mpamatsy vola mahazatra izany no nalehany faharoa taorian’ny nanatrehany ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba. Re ihany koa fa aorian’ny diany any Etazonia dia handalo any Frantsa i Hery Rajaonarimampianina ary nangataka ny hihaona amin’ny praiminisitra Frantsay Laurent Fabius.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.