Mipetraka ho filohan’ny Malagasy rehetra fa tsy filohan’antoko na filohan’ankolafy tokana i Hery Rajaonarimampianina, ary tsapa tamin’ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra manokana ny alakamisy lasa teo fa tena sahy manapa-kevitra ity filoha ity.
Zovy no tsy nahafantatra fa anisan’ireo mpanefoefo tsy azo nokitikitihana mihitsy nandritra ny fitondrana tetezamita izany Mamy Ravatomanga izany, ka na ny fanononana ny anarany fotsiny aza dia mety hiakarana eny amin’ny fitsarana. Tsy sanatria tsy manan-katao ka mamorona asa ny fanjakana fa misy antony lehibe matoa tsy avela mivoaka an’i Madagasikara io mpanefoefo io. Minisitra nandritra ny fitondrana tetezamita i Hery Rajaonarimampianina ka azo antoka fa mahafantatra zavatra maro, nisy fotoana izy mety tsy afaka niteny, tsy afa-nihetsika satria mbola nanana ny lehibeny fa ankehitriny kosa tapa-kevitra ny hihetsika izy. Tahaka izany koa ny tale jeneralin’ny ACM izay nalaza tamin’ny famoahana ny NOTAM noho ny antony tsy dia maharesy lahatra loatra. Nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny filohan’ny HCC, heverin’ny maro fa nifandray akaiky loatra tamin’i Andry Rajoelina. Mazava be ny tenin’i Hery Rajaonarimampianina vantany vao nandray ny fitondrana izy fa hoe izy no misafidy malalaka izay hiara-kiasa aminy … Ary lojika be ny fanesorana tompon’andraikitra rehefa miova ny filoham-pirenena, efa nahazatra antsika teto Madagasikara izany ary fahita amina firenena maro any ivelany ihany koa.Tsy nahafaly ny ankolafy Rajoelina io fihetsiky ny filoha io, ankoatra ny tsy nanekeny ny hanendrena an’i Haja Resampa ho praiminisitra, hita ho romodromotra mihitsy ny MAPAR ary efa nanandrana nitarika olona nidina an-dalambe sao mahomby indray ny paikady fihanihan-dapa fanao fahiny. Hita fa tsy te hanan-dratsy ny filoha Rajaonarimampianina, atao tokoa ny fampihavanana saingy misy ny olona mety tsy vonona ny hihavana mihitsy ka tsy azo terena amin’ny heviny sy ny fomba fijeriny izy fa ny mety aminy dia mivoaka ny kianja aloha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.