Politique

Hery Rajaonarimampianina Be resaka fotsiny


  • Talata 25 Martsa 2014

Tsy dia tena nisy zava-baovao manao ahoana ny nambaran’i Hery Rajaonarimampianina omaly maraina raha nigadona teny Ivato taorian’ny diany tany Etazonia sy Frantsa izy fa efa famerenana fotsiny ihany ny fampitam-baovao.

 Ny notsindriany fotsiny dia ny maha zava-dehibe ny fiverenan’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny, ny fiverenan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, ny fahavononan’ny Amerikanina handinika ny famerenana an’i Madagasikara ao anatin’ny AGOA sy ny tetikasa MCC ary ny fahafantarana sahady fa hiverina ho mpikambana feno eo anivon’ny fianakaviamben’ny Frankofonia i Madagasikara.

Raha atao bango tokana ny fepetra takian’ny Firenena Mikambana sy ny Amerikanina ary ny Frantsay dia ny fangatahana ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary mazava ho azy fa ny fijoroan’ny governemanta ara-dalàna. Fantatra ihany koa izao fa nanapa-kevitra ny hamatsy vola mivantana antsika avy hatrany ny FMI noho ny fahasahiranana, ary efa misy ihany koa ny vola 300 dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay azo ampiasaina avy hatrany. Milaza ny ho afa-po tamin’ny fivoahany tany ivelany ny filoha na dia maro ihany aza ny fanakianana azony.

Momba ny fanendrena ny praiminisitra indray dia nantitranteriny fa dia izy no manendry ny praiminisitra ary olona mitovy fomba fijery aminy no sady tena vonona ny hampandroso marina ny firenena ity praiminisitra ity. Tsy mbola fantatra mazava anefa hatreto ny fotoana hanendrena izany praiminisitra izany, na dia efa niteny aza i Hery Rajaonarimampianina tany Etazonia fa vantany vao tonga izy dia hanangana ny governemanta vaovao. Tsara homarihana fa resaka am-bava daholo aloha hatreto ireto fampanantenana famatsiam-bola sy fanampiana mety ho azo avy any ivelany ireto fa tsy mbola fantatra mazava koa hoe fomba ahoana no hahazoana azy, rahoviana ary ahoana no ampiasana azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT