Politique

Hery Rajaonarimampianina “Apetraho ny fitoniana, avoahy ny gadra politika ”


  • Talata 09 Novambra 2021

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay nampahatsiahy fa namindra fahefana ara-demokratika,

 ary nipetraka amin’ny maha Raiamandreny kanefa dia mbola tratry ny hetraketraka ny mpiara-dia aminy. “Nisafidy nangina aho, nijanona amin’ny maha Raiamandreny. Mitodika am-panajana amin’ny mpitondra ny firenena, miantso azy ireo ny hampitsaharana ny fifanenjehana ara-politika, ny herisetra sy ny fifankahalana. Miantso azy ireo aho, hametraka ny fitoniana ara-politika. Isan’ny antoka amin’izany ny famoahana ny gadra politika rehetra. Tsy ho anay irery izany fa antoka ho an’ny fitondrana ihany koa io”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Niantso fandinihan-tena lalina anaty fanetren-tena. Notsipihiny fa tsy afaka hiambo na hitondra firenena samirery. Efa hita ny lesoka tamin’izany, ka tsy maintsy manarina ianareo, tsy maintsy manarina isika, ka aoka hanana toe-tsaina mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Nanamafy kosa ny tenany fa tsy maintsy mandray anjara amin’ny fifidianana filoha ny HVM satria izay no antom-pisian’ny antoko. Notsipihiny kosa, fa eo foana no olana ho an’ny firenena tao anatin’ny vanim-otoana lava. Ao amin’ny fifidianana filoha no misy olana ka ao ihany koa, hoy izy, no fiantombohan’ny vahaolana. Tsy ny hahalala izay olona hirotsaka hofidiana ao anatin’ny HVM no zava-dehibe, ary mety ho fandrika aza izany, fa ny zava-dehibe dia ny fanamafisana orina ny antoko, raha ny fanamarihan’ity Filoha teo aloha ity.
« HAINTSIKA IO TOEKARENA IO »
“Tsisy fahagagana ny toekarena, manaraka lojika, misy izay lalàna na aiza na aiza eran’izao tontolo izao raha ny toekarena. Mila vina, mila stratejia, mila tetikasa, mila asa,… Izay hafafinao sy volenao ihany no hojinjainao amin’io toekarena io. Sarotra ny hanarina ny toekarena raha tsy misy teti-panorona matotra. Isika tsy miambo fa mba sahy miteny hoe: mba haintsika io”, hoy Hery Rajaonarimampianina. Efa mihazakazaka any amin’ny fampandrosoana sy fanarenana ny toekarena ny firenena maro. Tsotra ny isan’ny ahafahana miatrika izany dia ny vaksiny amin’ny covid-1 mba handraisan’ny fitondram-panjakana ny fepetra hanapariahana sy hanafainganana ny vaksiny, hoy izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT