Politique

Hery Politika Mitambatra Miantso fifamelana faobe


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Raha tiana ny hampilamina ny firenena ka hirosoana amin’ny Repoblika faha-4 dia tsy azo ihodivirana ny fanatontosana ny fifamelana faobe tsy anavahana na iza na iza eo amin’ireo samy mpanao politika sy izay tsy mitovy hevitra rehetra araka ny hevitry ny HPM, Hery Politika Mitambatra.

«Mila fiaingana vaovao isika izany hoe mila mifamela ny rehetra ary halavirana ny resaka valifaty politika fa tsy mahasoa ny taranaka izany. Izay no mahasoa ny firenena na dia tsy mahafinaritra ny sasantsasany aza”, hoy i Ndremanjary Jean André, mpikambana ao amin’ny HPM sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita koa. I Robert Razaka, izay filohan’ny vondrona politika HPM eo anivon’ny Kongresin’ny Tetezamita, indray dia mbola nanamafy fa tsy misy madio ny mpanao politika Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao satria samy nandatsa-dra sy nanodinkodina ny harem-pirenena avokoa ka samy tokony hifamela.

Hatramin’ny taona 1971 no ho mankaty, hoy izy, dia nisy hatrany ny fifanonganana amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe teto amin’ny firenena izay nahafatesana aina olona maro hatrany. “Na dia tsy nisy ra latsaka izao ireny raharaha BANI ireny dia tsy azo hodian-tsy hita ny antony nahatonga azy izay mila aravona”, raha ny fanazavany hatrany. Mitaona ny mpanao politika rehetra hampandefitra ny hambompony, araka izany, ny HPM ka hanaraka io tolotanany io.  Handefa fangatahana fivoriana tsy ara-potoana handinihana indrindra ny resaka fifamelana sy fampihavanam-pirenena  ity  vondrona politika ity eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita satria mifarana rahampitso ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo andrimpanjakana mpanao lalàna ato anatin’izao Fahefana avon’ny tetezamita izao.  

Sary : Ireo mpitarika ny fikambanana HPM
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT