Tonga tetsy anivon’ny CFM etsy Ampefiloha ny talata 30 aprily teo ny kandida ho depiote laharana faha 3 ao amin’ny boriborintany voalohany,
Hery Gasy Manankasina, sy ny ekipany nandritry ny fotoana natokan’ity rafitra voalaza teo ity sy ireo firaisamonim-pirenena maromaro hanaovana Sonia ilay sata ho an’ny fitondran-tenan’ireo ho lany depiote na ny toky nomena izany. Efa fiainana isan'Andro io fa sonia fotsiny ihany no natao androany, hoy ity kandida ity. Tsy mametraka olana ny amin’ireo teboka miisa 29 asaina hajaina ao ny tenako. Mila depiote vonona, vanona, sahy ary mendrika ny olom-pirenena. Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ireo kandida, hoy izy, ary isan’ny teboka naharesy lahatra ahy ny mahakasika ny tokony hamerenana ny soatoavina Malagasy sy ny resaka fividianana mpifidy amin’ny alalan’ny fizarana zavatra. Na tsy hanaraka izay voasonia aza ny hafa dia izahay hanatanteraka izany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.