Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Nosy Be ny alahady alina teo.
Tovolahy iray vao erotrerony no nisy namira antsy avy any aoriana raha iny izy handeha hivalan-draano teo amin’ny sampanan-dalana Seimad Antanambao iny ka tafasaraka tamin’ireo namany handeha hamonjy fodiana. Tsy vita akory ny fivalanan-drano nataon’ity tovolahy ity dia nisy nanindrona antsy ny tehezany sy ny fitombenany. Toraka izany koa ny teo akaikin’ny sofiny. Jiolahy miisa 6 no nanao izany asa ratsy izany izay nikasa haka ny finday sy ny tablette ary sakaosy kely teny amin’ity tovolahy ity. Na izany aza avotra soa aman-tsara ity tovolahy ity ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaliben’ny Nosy Be. Mbola tadiavina kosa ireo nahavanon-doza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.