Politique

Herintaona sy tapany aty aoriana Miverina ny fampanantenana solosaina isam-pokontany


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Nanomboka omaly teny Ambatobe sy fokontany vitsivitsy teto Antananarivo ny fitsinjarana ireo karinem-pokontany vaovao. Ireto farany dia efa misy famantarana manokana na "QR code",

 izay nambaran’ny Filoha Rajoelina fa hahafahana manangona sy mandrakitra ny mikasika ny tokantrano tsirairay isam-pokontany. Hanamora bebe kokoa ny fanisàna ny mponina ny fampiasana ireto karinem-pokontany vaovao ireto, ary hanamora ihany koa ny fanomezana ireo taratasim-panjakana isan-karazany eny anivon'ireo fokontany. Fa indrindra izao fomba fiasa vaovao izao dia hahafahana mahalala ny mikasika ireo karazana fanampiana azon'ny tokantrano ho sitrahana avy amin'ny Fitondram-panjakana, toy ny tosika fameno, vatsy tsinjo, sosialim-bahoaka,.... Nambara fa famin’ny fizarana ireny fanampiana tamin’ny coronavirus ireny, dia sahirana ny ben’ny tanàna sy ny depiote satria satria ao anatin’ny adiresy iray misy fianankaviana telo ao anatiny. Tsy fantatra intsony hoe: olona firy marina. Zavatra manara-penitra, manaraka ny fenitra maoderina. Tonga dia hita hoe: nisitraka ny fanampiana amin’ny sosialim-bahoaka sa tsia, hoy I Andry Rajoelina izay naneho, fa fanavaozana goavana be no ataony. Nambarany fa mpanao asa sosialy izy, ary tsy ny covid-19 ihany, fa mbola ho avy ny fanampiana be dia be. Akaiky rahateo moa ny fifidianana. Nolazaina, fa izao hetsika izao ihany koa dia miara-dalana amin'ny fampitaovana ara-informatika ireo fokontany 192 isa eto Antananarivo Renivohitra, izay ahitana fanomezana solosaina sy tetikasa fametrahana internet amin'ny alalan'ny HOTSPOT WIFI eny anivon'ny Fokontany rehetra , ka ny tanjona dia ny hametrahana tanàna nomerika.
SOLOSAINA SY “IMPRIMANTE” ISAM-POKONTANY
Efa ny 08 aprily 2020 no niresahana ny solosaina isam-pokontany sy ny “digitalisation” hovitaina 10 andro, ary herintaona sy tapany aty aoriana vao manomboka. Tsara ny manamarika fa miisa 1695 ny kaominina eto Antananarivo, manodidina ny 18000 ny fokontany manerana ny Nosy, zara raha ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, ary tanjona hatramin’ny 2023 ny hanatrarana izany ho 40 hatramin’ny 50% raha ny nambaran-dRajoelina omaly ka asa hoe halefa amin’ny inona ilay solosaina sy imprimantes sa mba santionany ihany ho ana tanàna sy fokontany vitsivitsy toy ny mahazatra? Mandra-pahoviana izany vao tena hisitraka sy hitovy ny fokontany manerana ny Nosy sa dia handeha amin’ny santionan-javatra hanaovana kisehoseho ivelany toy ny mahazatra hatrany hatrany? Mba rahoviana ihany koa vao hiova ity politikan’ny avo ihany no tovanana ity ka mba ho voajery ny eny ambanivohitra? Sao mba ny kara-panondrom-pirenena no tokony havadika tsikelikely ho nomerika ka iny no ahafahana mifidy ialana amin’ity hosoka lava sy ny fandaniam-bola amin’ny kara-pifidianana efa ho lava ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT