Herintaona latsaka telo andro no namoahana ny didim-panjakana 2019-1866 tamin’ny 25 septambra 2019 nanendrena ny andiany voalohany tamin’ireo Governora. Niisa 11 izy ireo tamin’izany.
Nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 4 martsa 2020 no nisy didim-panjakana fanendrena ny Governora ny andiany faharoa. Nisy fanendrena indray 23 jolay 2020, ary ny 05 aogositra ny fanendrena ny governora faha-18 dia ny an’ny Faritra Bongolava. Herintaona aty aoriana, mbola misy faritra 4 tsy voatendry ny Governora, dia ny any Amoron’i Mania, Ihorombe, Melaky, ary Betsiboka. Inona no olana amin’ny tsy hanendrena? Tsy maika ve ny fampandrosoana ireny faritra ireny? Endrika iray mampiseho io, fa mitarazoka ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy manana olona ny mpitondra,… Tokony handeha mazava ho azy ihany koa ny tombana ho an’ireo governora, izay nomena tetibola 1 miliara ariary isan-taona. Tsy afa-miafina ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana. Novaina fahatany ho “governora” ny anaran’ny Lehiben’ny faritra, izay noboriboriana amin’ny fiantsoana na “appellation” fotsiny io fa mitovy amin’ny asan’ny Lehiben’ny faritra ihany. Toa paikady hoenti-manamarina ny fanendrena fa tsy fifidianana ny fanovana anarana. Voafaritra mazava ao amin’ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana, fa fidiana amin’ny alalan’ny latsa-bato andraisan’ny rehetra anjara ny Lehiben’ny Faritra saingy mbola mialoka anaty fanendrena aloha ny fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.