Tamin` ity taona ity, noho ny valanaretina Coronavirus, ary ho fanajàna ireo fepetra noraisin` ny fanjakana, dia nofoanana ireo hetsika fankalazana ny Herinandron`i Eoropa eto amintsika.
Nanarika kosa ireo tomponandraikitra eo anivon` ny Vondrona Eoropeanina fa misy ireo hetsika samihafa saingy amin` ny alalan` ny aterineto no nanatanterahina izany izay efa nanomboka omaly 08 mey ary hifarana androany 09 mey. Betsaka ny fandaharam-potoana nomanina, ankoatra ny fifanakalozan-kevitra eo amin`ny lafiny toekarena, ny kolontsaina ary indrindra momba ny tanora. Voalohany amin` ny mpiara-miombon` antoka maneran-tany ny Vondrona , voalohany ihany koa izy mitondra fanampiana ho an`ny fampandrosoana. Fotoan-dehibe io “herinandron`i Eoropa”io hampahafantarana ny lanjany sy ny toerany maneran-tany ary ny fahavononany ao amin`ny fiaraha-miasa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.