Ho maro an’isa eo anivon’ny Antenimierandoholona izao ny IRD, izay tsy midika
fa handany be fahatany, tsy maintsy handinika tsara. Ireny tolo-dalàna na volavolan-dalàna ireny no antony tena hisian’ny firindran’ny fiainan’ny firenena. Hodinihina tsara ireny, ary ny fanaovana vato misakana dia aleo havalona any, hoy ny Atoa Atoa Herimanana Razafimahefa izay ho loholona IRD isan’ny handrafitra ny antenimierandoholona atsy ho atsy. Hitantsika teo fa dia tena nisy fikorontanana eo amin’ny fiasan’ny andrim-panjakana rehetra, hoy izy, izay somary nanakiana ny teo aloha ho vato misakana amin’ny fampandtosoana. “Ho hita amin’izay izao ny tena fampandrosoana marina satria harindra ny asan'ny andrim-panjakana rehetra fa tsy hifanipaka toy ny valala an-karona ohatran’ny teo aloha”, hoy izy. Toa maneho sahady, fa ho manga ny lanitra ary tena handeha izany ny fampandrosoana fa ireo teo aloha no sakana. Efa mitovy ny loko politika, ka tsy misy intsony izany no sakana. Raha raisina amin’io anefa, dia tsy ahafahana milaza ny tsy mampitombina io raiki-pohin’Atoa loholona io ny loto sy ny fakon’Antananarivo. Efa mitovy loko politika ny ben’ny tanàna sy ny Fanjakana foibe koa nahoana ary no amam-bolana maro tsy mivaha ny olana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.