Politique

Hentitra ny Prefen’Antananarivo « Tsy mahazo mamory vahoaka ny TAMAMI »


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Mailo sy manao izay ho afany amin’ny fisakanana ny hetsika politika ny mpitondra, ka miharihary amin’izao fa io no isan’ny hanohizana hatrany hamehana ara-pahasalamana. Ahiana amin’ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ny hetsika,

 

 

 mbola anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana isika, hoy ny Prefe eto Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian, manoloana ny hetsika kasain’ny Antoko TAMAMI hatao rahampitso sabotsy 03 oktobra manoloana ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny fitoniana. Nisy ny fivorian’ny OMC omaly maraina, ka tapaka fa tsy homena alalana ny TAMAMI amin’ny sabotsy. Tsy feno ny dosie, tsy nisy fangatahana tany amin’ny kaominina. Mbola ao anatin’ny hamehana isika, kanefa ny dosie tsy misy fiantohana hoe ho voaaraka antsakany sy andavany ny fepetra ara-pahasalamana, hoy ny Prefe. Izay no nahatonga ny OMC hiaritreritra fa tsy ho voahaja ny fepetra fiarovana. Ny votoantin’ilay tanjona dia fihetsiketsehana mandrangaranga adim-poko, fizarazarana ny samy Malagasy eo anatrehan’ny firesahana ny fanilihana ny “cotiers” amin’ny fitantanana, amin’ny fanendrena mpikamban’ny governemanta,… izay no arangarangan-dry zareo kanefa tena tsy mitombina izany. Ny lalàna mihitsy no tsy manome alalana anay hanome alalana ny fihetsiketsehana, hoy ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian.

IZAHAY TSY MPANAKORONTANA…

 Hetsika milamina eo anoloan’ny Minisiteran’ny kolontsaina manoloana ny endrika fanilikilihana ankolaka na mivantana no hatao, hoy kosa Samiary Floriot. Sehatra ivondronan’ny faritany enina mpanohitra, hanairana ny fitondram-panjakana fa tsy azo ekena ny endrika fanilikilihana na ankolaka na mivantana. Endrika fanilikilihana ny mahazo ny mpivarotra, tsy fanekena ny fisian’ny mpanohitra izay, ny vola midangana be amin’ny fifidianana izay tsy hakana ny hevitry ny mpikatroka, ny avy any amin’ny faritra atao ankilabao, ny fanalana ny mpiasa tsy raikitra na ECD, ary indtrindra ny lafiny kolontsaina Malagasy izay voatohintohina,… Izahay tsy hanakorontana na haka fahefana an-dalambe, fa zo sy fahalalahana araka ny lalàmpanorenana io, ka avelao izahay halalaka, hoy kosa i Samiary Floriot.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT