Politique

Hentitra ny minisitry ny atitany « Ny CENI no tompon’andraikitra feno…”


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Mbola nanamafy indray omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana Atoa Razafimahefa Tianarivelo,

 

 

 

 fa tompon’andraikitra feno amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy izay zavatra rehetra misoratra ao anatiny ny CENI. izany hoe ny mombamomba ilay mpifidy ka tafiditra ao anatin’izany ny laharan’ny kara-panondro. Nanamarika ihany koa ny minisitra fa hodinihina izay lisi-pifidianana any amin’ny CENI, sy izay mety tsy ho fetezana ao anatiny rehefa tonga eny am-pelatanan’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ; izay hoe tsy mbola voarain’izy ireo izany hatreto aloha mba hatao fanadihadiana. Nampatsiahy ihany koa Razafimahefa Tianarivelo fa ny 11 jona 2018 izy no voatendry ho minisitra, raha toa ka ny 15 mey 2018 no nikatona ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, izay nampiasaina tamin’ny fifidianana .

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT