“Raharaham-pirenena, aleo ho an`ny firenena fa tsy hatambatra amin`ny zavatra hafa”, hoy ny mpandrindra ny antoko DINIKE any amin`ny distrika Arivonimamo, Martial Randrianarison manoloana ny fampielezan-kevitra ataon`ny filoham-pirenena.
Miezaka ary mandray ny andraikiny ny antoko DINIKE satria ny atao hoe “antoko politika” dia fandraisana andraikitry ny olo-pirenena amin`ny raharaham-pirenena mivantana, hoy izy. Rehefa politika dia ao anatin`ny resa-politika ary ny raharaham-pirenena dia tsy raharaha anaty fikambanana tsotra fa tena goavana ka mila fanabeazana goavana. Ny antoko dia mitaiza toe-tsaina ka rehefa miandraikitra sehatra eo amin`ny firenena dia tokony ho an`ny vahoaka iray manontolo. Izany indrindra no mahatonga ny DINIKE hanana tanjona hamolavola ara-toetsaina ny any ifotony, hoy ny mpandrindra eo amin`ny distrika Miarinarivo, Rabenandrasana Hasiniaina. Manamafy izy fa miezaka hatrany amin`ny fampahalalana ny lalàna eto amin`ny tany sy ny fanjakana izay tokony hohajaina. Ny lalàmpanorenana dia lalàna fototra fa eo ihany koa ny fifanajana eo amin`ny samy olo-pirenena. Mety ho fanitsakitsahana lalàmpanorenana mivantana ve ? Samy manana ny andraikiny ny antoko politika, ny firaisamonim-pirenena… manoloana izany. Momba ny fampielezan-kevitra any amin’ny faritra Itasy dia hita taratra ny fifanaratsiana sy ny fifanolanana. Misy filazana fa itsy antoko matanjaka, saingy malalaka ny firenena matoa nasiana antoko politika. Omaly no fampahalalana amin`ny fomba ofisialy fa misy any amin`ny faritra Itasy amin`ireo distrika telo, kaominina 53 ny antoko DINIKE.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.