Politique

Hentitra i Naivo Raholdina “Tsy minisitra no hanome lesona depiote”


  • Talata 06 Jolay 2021

Manoloana ny fanakianana mavaivay nataon’ny minisitry ny fitsarana, Jhonny Andriamahefarivo, azy mikasika ny raharaha ady tany etsy Antanandrano,

 dia namaly bontana izany omaly ny depiote Naivo Raholdina, filohan’ny vaomieran’ny fananantany eo anivon’ny antenimierampirenena. Depioten’I Madagasikara voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy tamin’ny alalan’ny IRD ny tenako, hoy izy. Ny filoha Andry Rajoelina no tohanako fa tsy minisitra akory. Isan’ny nanolotra ny praiminisitra Ntsay Christian aho noho ny toromariky ny antoko. Raha mbola manao politika I Andry Rajoelina dia tsy hamadika azy aho. Raha mbola milatsaka filoham-pirenena izy dia tsy hilatsaka aho. Saingy mpitolona tamin’ny 2009 nitohy tamin’ny depiote 73 ny tenako. Mazava ny andininy faha 102 ao amin’ny lalampanorenana fa ny fomba ampiasain’ny antenimieram-pirenena ahafahany manaraka ny asa sahanin’ny governemanta dia ny fanontaniana ambava, an-tsoratra, ny fanadinana hentitra ary ny fampiasana vaomiera mpanao famotorana. Mitondra feom-bahoaka na iza na iza no asanay. Mitsofoka biraom-panjakana rehetra, mpanelanelana ny vahoaka sy ny mpitondra izahay rehefa misy hetahetam-bahoaka. Mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka izahay ka amin’ny alalan’izany no hanarahanay maso azy. Fametrahana fangatahana fa tsy fanontaniana tao anaty 3 minitra no nataoko ho an’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana dia nataoko ohatra ny resaka tany 30 ha eny Antanandrano iadiana orinasa karana. Tsotra ny teniko dia hoe miangavy anareo hanara-maso akaiky io ady tany io fa misy tsy rariny. Valy boraingina no nomen’ny minisitry ny fitsarana ary lasa mpisolovava ny Telma izy. Lazainy fa in-3 tonga tao aminy nanelanelana an’io aho. Mbola mandeha ny fitsarana io tany io. Izaho, hono, no nitarika ny mponina hikomy tsy hanatanteraka didy. Fitarainan’ireo mponina, ity ny taratasy nanangonana ny sonia, no nahatonga ny tena hiditra amin’io ary efa ela ireo mponina ireo no niady io tany io. Tsy ny minisitra mihitsy no hanome lesona depiote. Afa-po aho tamin’ny valintenin’ny praiminisitra izay nilaza fa handinika ny toe-draharaha, hoy hatrany izy, ary manohana ny hijanonany eo fa ny mampalahelo ahy dia tsy izaho irery no efa teny Antanandrano sy mitaky fanadihadiana momba io nefa taty ny minisitry ny fitsarana no nanapatra.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT