Politique

Henry Rakotomalala “Hiha ratsy ny fiainam-bahoaka amin’ny taona ho avy”


  • Zoma 18 Desambra 2020

Niarahantsika nahita fa nanamarika ity taona 2020 ity ny Coronavirus, hoy ny

 

filohan’ny fikambanan’ireo gadra politika teo aloha, Henry Rakotomalala na Riribe. Ataon’ny olona fanadiovana ny tsy mety sy tsy fahaiza-mitantana ilay izy. Anjaran’ny vahoaka Malagasy no mitsara hoe voavaha ve ny olam-pirenena tao anatin’izay 2 taona izay? Nandroso ve ny firenena? Miiba 3,8% izao ny fiharian-karena ary faharoa amin’ny firenena faran’ny mahantra amin’izao fotoana izao ny Malagasy. Vao miha hiharatsy ny fiainam-bahoaka amin’io taona hoavy io. Niampy 1,4 tapitrisa ny Malagasy niha nahantra, hoy ny tatitry ny banky iraisampirenena. Mankany amin’ny fahantrana daholo izany izao ny Malagasy ka asa hoe hiampy firy indray amin’ny herintaona. Any anaty lavaka ny firenena raha tsy mandray andraikitra ny mpanao politika sy olompirenena, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT