«Arodany io fitondrana io. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fiovana noheverina. Tsy izy io fitondrana io».
Ampahany amin’ny zavatra voalaza niverimberina tetsy amin’ny fihaonana nokarakarain’ny Filankevitra nasionalin’ny federalista tanterahina etsy Andrefan’Ambohijanahary io, araka ny tatitra nataon’i Henri Randrianjatovo, solontenan’ny ankolafy Ravalomanana teny. Samy niaiky ireo nandray fitenenana teny, araka ny vaovao nampitaina tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka fa nentina amin’ny fahantrana ny Malagasy. Ankoatra izay dia nasian’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity resaka koa ny momba ny fampiharana ny sori-dalana izay efa lasa lalàna iraisam-pirenena.
Nambarany fa tsy maintsy hiverenana avokoa ireo lalàna rehetra navoaka tsy nifampierana hatramin’izay. Raha hirosoana ihany koa ny fifidianana, araka ny fanazavany dia tsy maintsy tetezamita tsy mitongilana no apetraka, tsy maintsy jerena ihany koa ny momba ny fametrahana ny fitoniana sy ny fitsinjarana ny hery eo anivon’ireo rafi-pitondrana isan’ambaratongany.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.