Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Tsy te hino aho hoe tsy avotra intsony ity firenena ity”


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Tsy te hino aho hoe efa tsy avotra intsony ity firenena tsy mahavita manangana fiarahamonina ity, hoy ny mpahaitantara sady mpanakanto,

Hemerson Andrianetrazafy! Misy dikany inona ilay mifandatsaka aina, hoy izy? Iza no mbola mifampitsinjo? Mbola misy fanjakana mahefa mifaka amin’ny zava-misy sy tsindry eny ifotony ve eto? Moa tsy angano voizina hatrizay fotsiny ilay hoe malagasy mandala fihavanana sy fifanoloran-tanana? Tsy mety mino akory aho fa hoe ny rafitra misy sy ny firoana voizina ankehitriny dia mety hampanjary tontolo azo iainana sy hivelarana. Fitiavan-kely, havendranana, tazon-karena miharo hakamoana sy malai-misasatra no misonga etsy sy eroa. Kifetsifetsy tsy miainga fa mirefarefa amin’ny tany no manjaka hatraiza hatraiza. Anisan'izany ny endrik'ireo kolikoly manjaka hatraiza hatraiza. Na dia hinia hitampi-maso aza, mahamay sy maharary ohatry ny vay an-kandrina ireny. Izao isika izao dia toa olom-boaozona satria loza ho an'ireo izay mikiry tsy mitandro hasasàrana ! Rahoviana isika vao hifampiresaka tsy miolankolaka, tsy misy kajikajy izay tena momba antsika ary mampiakatra ny resaka avoavo kokoa noho ny filan'ny kibo tsy hamokarana afa tsy tay? Izao mitsipaka sy kila ankarona ny tantsaha noho ny asa-dahalo, mihorohoro ny zaza varira noho ny finoanoam-poana asesiky ny maizin-tsaina, tsy mandry fahalemana ny elakela-pe noho ireo tsy mahafehy filahiana. Tsy misy vidiny intsony ny ain'ny madinika atsatsika toy ny tonon'akoho. Tsy misy didy aman-dalàna afaka miaro azy intsony satria ny fandriampahalemana toa natokana fotsiny ho an’ny mpitondra sy ny manam-pahefana? Tsy mety mino intsony aho. Mivaralila isika ka asa raha mbola misy tokony hiarahana, hoy hatrany tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT