Politique

Hemerson Andrianetrazafy “Noferana fotsiny amin’ny fifidianana ny fahafahana eto”


  • Talata 06 Oktobra 2020

Tsy mbola nisy fitondrana nahatanty tsikera teto hatramin'izay, hoy ny mpahay tantara sy mpahaivakoka ary mpanakanto, Hemerson Andrianetrazafy. Raha voasokajy ho isan’ny heloka 12 mahafaty izy faha tany gasy dia mahavery izay sendrany izy taty aoriana.

 

 

Mbola tsaroantsika angamba ny rafitra nisy sivana tamin’ny repoblika voalohany sy faharoa. Nefa ny rafitra nandimby toerana toa tsy nahay naka lesona fa nanidy trano amin’ny endriny maro. Fampakarana fitsarana, fanagadrana, fanenjehana fotsiny tsotra izao no misy. Etsy andaniny anefa, satria izay no maridrefy "iraisam-pirenena" dia aroso aloha ny fitantanana mandala "demokrasia". Izany hoe rafitra miankina indrindra amin'ny fahafahan'ny olompirenena mandray anjara amin'izay iombonana rehetra ahafahany maneho ny heviny saingy io fahafahana io amin'izao fotoana izao dia noferana fotsiny amin’ny fifidianana. Raha misy fanakianana ny tranga misy dia efa hidiana ao anatin'ilay sokajy kitapobe hoe " mpanohitra". Tsy lavitra an'io no misy an'ilay mpanakorotam-panjakana. Eto aloha dia ny fanidiana trano amin’ny lalàna isan-tsokajiny no fitaovana enti-manampim-bava. Anisan'izany izao, araky ny hevitro, ity rafitra napetraka momba ny "cybercriminalité" ity. Any amin’ny tompony izy io, ny “cybercriminel” dia ireny mpamaky tambazotra mangalatra tsiambaratelo na “hackers” na mpanodikodim-bola na mpanadio vola maloto amin'ny alalan'ny tranokala fa eto amintsika kosa dia natao hivelezana ny halako bika tsy tiako tarehy ilay izy. Raha toa tokoa mantsy fanompana sy fanalana baraka no hanenjehana azy toa efa misy didy aman-daàna mikasika izany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana na “code penal”. Ny nananganana ilay sampana "cybercriminalité" izany dia fitaovana hamatorana fa tsy hifehezana ny mpampiasa tambazotra izay mba sehatra tokana ahafahan'ny tsirairay maneho hevitra. Ny fanilihana ny tsy mitovy hevitra sy ny fahalainana ny hihaino ny hafa dia sakana manidy antsika hatrany ao an-kizon'ny kirizy lava reny, hoy hatrany ity mpahay tantara ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT