Politique

Hemerson Andrianetrazafy –mpahay tantara “Marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto”


  • Zoma 10 Jolay 2020

Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana ireo nitondra taloha vao mody misaina, hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianetrazafy.

 

 

Toy ny ataon'ny mahazo fitondrana ihany no nataony fony teo. Be marenina sy tsy refesi-mandidy. Ny dikan'izany dia tsotra, hoy izy, marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto amintsika. Ny antoko politika tsy manana vinam-piarahamonina matotra. Ny olom-pirenena tsy mandray anjara ary ahilika amin’ny sehatra iraisana. Izay mitondra dia mihevitra ny tenany ho mpanjaka. Na ny olon-tsotra aza dia toa izay no fandraisany azy ka mampiraviravy tanana azy ary izay rehetra mahazo fahefana dia manararaotra izany. Tokony heverina ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana, ny fampiatiana ny olom-pirenena, hakarina sy atao mifanaraka amin’ny tontolo iainantsika ny fanabeazana sy fampianarana, maka fanapahan-kevitra amin’ny tsy hiankinan-doha intsony amin'ny any ivelany, tsidihina sy ahitsy hifanaraka amin’ny tena filantsika ny didy aman-dalàna manan-kery ary atao amin’ny teny malagasy, hoy izy, no vahaolana isan’ny arosoko. Tokony ho raisin'ny fanjakana tanteraka ny filan'ny olona mihiboka ary raha ny rariny sy hitsiny dia nahazo vatsy ho an'izany izy saingy izao toy ny hoe mijanona ao an-trano dia hiareto mangina izay manjo anareo! Sady mpampianatra mpikaroka amin’ny sekoly ambony tsy miankina moa ity mpahay tantara ity no mpanakanto saingy samy tapaka daholo izany fivelomany izany vokatr’izao krizy ara-pahasalamana izao, hoy hatrany ny fanazavany.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT