Ny Solombavambahoaka Tsabotokay Honoré, voafidy tao Vohipeno, no lany ho filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo (HCJ), omaly teny amin'ny CCI Ivato.
Izy irery no nilatsaka ho fidiana. 58 no isan’ny tonga nifidy, 49 vato ho nandany azy, 7 vato fotsy, 2 vato maty. Ireo Solombavambahoaka 17 handrafitra izany Vaomiera izany dia avy amin'ireo Vondrona parlemantera, ka 12 avy amin'ny IRD, 3 avy amin'ny GPR ary 2 avy amin'ny TIM. Tsiahivina hatrany fa ministra teo aloha miisa 13 no efa nametrahan` ny Fitsarana ambony antontan-taratasy eny anivon` ny Antenimieram-pirenena iandrasana ny fankatoavana raha hanaovama fanadihadiana na tsia. Tsy ny lalàna moa no mampandringa ity rafitra ity fa ny dingana fanenjehana takian` ny HCJ no manano-sarotra satria misy dosie tonga ao aminy kanefa tsy maintsy hankatoavin` ny 2/3n` ny depiote. Azo ambara fa feno ity rafitra ity ka afaka hiasa amin` izay mba hahafahan` ny rehetra ho ambanin` ny lalàna sy ny hanohizana famotorana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.