Politique

HCDDED “Zavatra tsy ampoizina no maharava fitondrana”


  • Zoma 20 Mey 2022

Isany voaresaka ato amin’ny laharana faha 13 amin’ny gazety boky Demokrasia izay navoakanay, hoy ny filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny biraon’izy ireo

etsy Ankadimbahoaka omaly, ny mikasika ny tontolo politika eto Madagasikara iainantsika ankehitriny. Tsy tsara ny manao teny mandratra na ho an’ny andaniny na ankilany. Tsy tsara ny mifandrangitra. Apetrakay hatrany izay. Misy olona 2 na 3 mifandrangitra ary ny olom-boafidy tsy natao ho baikoin’ny olom-boatendry, indrindra, fa olom-boatendry aty ambanimbany. Tsy praiminisitra na minisitra no afaka hiteny hoe “taisez-vous!”. Tsy fiteny ireny fa mandrangitra, hoy ny filohan’ny HCDDED, Navony Pierre Lenoble. Tsy afaka mibaiko olom-boafidy ny olom-boatendry. Mikasika ny raharaha momba ny oniversite dia mbola tsy tanteraka hatramin’izao ny fihaonanay sy ny SECES ary HCC. Mino aho anefa fa tsy ho ela dia ho tonga izay. Mihenjan-droa ny tady. Mila jerena izao ny vahaolana fa tsy andrasana ho simba ny firenena. Oniversite maty izao no misy manerana an’I Madagasikara. Ny zanaka malagasy fa tsy ho zanaka vahiny mihitsy no ho voa amin’izany. Jereo haingana ny vahaolana fa aza andrasana hirehitra. Tadidio fa zavatra tsy ampoizina teto no maharava fitondram-panjakana. Raisintsika ohatra ny tamin’ny 1972. Ny fampitoviana lenta ny mpianatra ho mpitsabo sy ny mpianatra teny Ankatso no tsy neken’ingahy Tsiranana tamin’izany dia iny no niafarany, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT