Politique

HCC vaovao Eo am-pelatanany ny hoavy politikan’ny Firenena


  • Zoma 09 Aprily 2021

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny alalan’ny lanonana ara-pitsarana tetsy amin’ny

 

 

Lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ireo mpikambana 8 amin’ny 9 mandrafitra io andrim-panjakana io. Tsy afa-nanao ny fianianana kosa Atoa Nelson William noho ny tsy fahasalamana. Araka ny fombafomba ara-pitsarana sy ara-pihanianana, dia nihaniana izy ireo fa tsy hiandany na amin'iza, fa handray fanapahan-kevitra ankahalalahana sy am-pahamendrehana, ka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery sy ny hevi-dehibe raiketiny no hiaingana. “Sambany tamin’ny tantaran’ny HCC, ka nisy fihanianana ataon’ny mpikambanana vaovao raisin’ny mpikambana teo aloha, katokony hotohizana. Toky no omenay anareo, fa araka ny fianianana nataonay, dia hampanaja ny lalàmpanorenana sy tany tan-dalàna izahay ao anatin’ny fanatanterahana ny asanay, hoy ny Zokiny indrindra na “doyen” ao anatin’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa. Manana 8 andro hifidianana izay ho filohany ny HCC, ary isan’ny tsara toerana ho Filohan’io Andrim-panjakana io indray ny tenany, izay efa nitana izany andraikitra izany tany aloha. Somary nanaitra kely rahateo ny tsy fitoviana kely tamin’ny lokon’ny fanamiany tamin’ireo hafa omaly. Tonga nanome voninahitra ny fotoana omaly moa ny Filohan’ny Repoblika sady Filoha faratampon’ny filankevitra ambonin’ny Mpitsara Atoa Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona.

MISY VARY MANGATSIAKA

Miisa 4 ireo vary mangatsiaka teo aloha miandry ireo mpikamban’ny HCC vaovao, dia mahakasika ny fankatoavana ny lalàna 2021-001 mikasika ny tetikasa antsoina hoe “PRODUIR”, findramam-bola amin’ny IDA; Lalàna 2021-002 mikasika ny findramam-bola amin’ny tetikasa “PRODIGY”, ny fitoriana nataonan’Atoa Rasoamiaramanana Heritiana Gervais Dit Zaref mikasika ny fitakiana hanafoanana ny fifidianana filoha fihodinana voalohany sy faharoa tamin’ny taona 2018; fitoriana nataon-dRtoa Fanirisoa Ernaivo mangataka ny fanafoanana ny fifidianana filoha Fihodinana voalohany tamin’ny taona 2018. Ireto roa farany, dia azo antoka 100% fa holavina amin’ny fomba mivantana na an-kolaka. Didy tsy azo hivalozana ny an’ny HCC, sokajiana ho iainkinana sy mamaritra ny ho avy politikan’i Madagasikara hatrany ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’io andrim-panjakana io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

Hijery ny tohiny
FTT