Hatramin`ny fanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana solombavambahoaka, nanamafy ny filohan' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Jean Eric Rakotoarisoa fa tsy mandray kandidà, na solontenan`ireo mpilatsaka hofidiana.
Ho an'ny fifanolanana rehetra, hasaina ireto farany hanaraka ny fizotran'ny fifandirana ara-pifidianana, izay miresaka momba ny fanentanana sy ny famoahana malalaka ny vokatra mialoha ny fotoana. Ny fifandraisana mialoha amin'ny mpikambana sy ireo mpiasa ao amin'ny HCC dia voarara satria miendrika tsindry ny fiantraikany.Heverina fa olon-kendry ny ao amin’ny HCC ary misy antony lehibe matoa nanao fanambarana tahaka izao; na izany aza anefa mitoetra foana ny ahiahy ary tsy afaka an-tsain’ny olom-pirenena marobe ny zavatra hafahafa momba ny voka-pifidianana filoham-pirenena farany teo; efa lasa fomba firesaka any anaty fiarahamonina ankehitriny ny : “Azo raisina fa tsy mitombina…” izay fehezanteny nivoaka tao amin’ny HCC.Maro ireo nahatsiaro fa voazimbazimba ny safidiny; ka ho hita eo indray izay ho fanapahan-kevitry ny eny Ambohidahy momba ny fifidianana solombavambahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.