Politique

HCC Ambohidahy Andrasana izay mety ho valiteniny


  • Talata 10 Martsa 2020

Ny CENI no nahatonga ny savoritaka ka mamaha ny olana naterany. Nampiasa ny and. faha 28 ao amin`ny lalàna mifehy ny CENI ny filohany Hery Rakotomanana ka nitodika tany amin`ny HCC ka nangataka hanala an`i Thierry Rakotonarivo,

 

 

filoha lefitra, noho ny fanitsahana ny fianianana sy hadisoana goavana. Tompon’andraikitra ny CENI iray manontolo ary tsy maintsy hanetsehana ny HCC. Manahirana ny hitsara io raharaha io satria mety ho maro ny ampamoaka ka mety hanakorontana ny tontolo politika. Somary hafahafa ihany no handraisana ity raharaha CENI ity. Rehefa nilaza ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, fa misy ny “doublons”, laharana CIN mitovy noho ny fahadisoan-tsipelina dia nohamafisin`ny filohan`ny CENI izany. Tsy nisy resaka fandavana ny fanambarana. Inona no tena ambadik`iny fanambarana iny ? Maro moa ireo fanehoan-kevitra mahakasika izay saingy ny HCC no tompon`ny teny farany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT