Politique

Hatramin’ny nivoizana “digitalisation” Nikorontana ambony ambany ny fikarakarana taratasim-panjakana


  • Talata 31 Mey 2022

Tsikaritra ho nikorontana ambony ambany hatramin’ny fotoana nivoizana ny “digitalisation” na ny fampidirana anaty rindram-baiko nomerika ny mombamomba ny olompirenena amin’ny sehatra rehetra misy

 azy eto Madagasikara ny fikarakarana taratasim-panjakana eto amin’ny firenena. Samy miaiky aloha ny maro hatreto fa tsy voafehin’ny fitondrana ankehitriny ity rivotry ny tekinolojia vaovao maneran-tany ity. Iaraha-mahita am-bolana maro, mba tsy hilazana hoe an-taonany, izao ny olana iainan’ireo toko telo mamasa-nahandro eny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana dia ny mpampianatra mpikaroka, mpianatra mpikaroka, mpandraharahan’ny oniversite mba hidirana amin’ity fomba fiasa vaovao ity. Nijaly nilahatra vatsim-pianarana maraina mandram-pangiran-dratsin’ny andro mihitsy ireo mpianatra nisy fotoana. Notsinotsiniavina ireo mpampianatra mpikaroka. Nampilaharana ampahana tambin-karama efa vary mangatsika teny anivon’ireo paositra. Lasa koa ny saina ankehitriny hoe sao dia misy hifandraisany amin’izany koa aza ity fanasarotan-javatra hikarakara taratasy filana ravinahitra any am-pitan-dranomasina tato ho ato eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ity? Hatramin’ny fanoloana kara-panondro very aza ankehitriny dia miteraka fahasahiranana ho an’ny lasibatra koa satria dia voatery midina any amin’ny toerana nanaovana voalohany ny kara-panondrony ireo very izany mba hakany ny renin-karatra, raha ny tranga hita tetsy amin’ny boriboritany fahatelo omaly. Avy nanao fampahafantarana fahaverezan-kara-panondro teny amin’ny polisy eny Tsaralalana aho, hoy ny raim-pianakaviana iray. Asaina mividy taratasy fotsy. Azo avy eo ny taratasy manamarina na “attestation” fa very ilay karapanondro izay maharitra 1 volana monja. Nomena taratasy akana ny renin-karatra any amin’ny toerana nanaovana ny kara-panondro voalohany koa aho dia any Antsirabe fa ilaina amin’ilay rindrambaiko na “logiciel” hanaovana ny “digitalisation”, hono. Izaho anefa miasa sy monina eto Antananarivo, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity nitaraina mafy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT