Hasin’i Madagasikara

> Mirary fiovana marina


  • Talata 21 Janoary 2014

Nanohana ny kandida Robinson Jean Louis ny antoko Maitso tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny 20 desambra 2013 ary nijoro mba hampazava ny tena safidin’ny vahoaka Malagasy.

Tsy tanteraka anefa ny fitakiana famerenana ny fanisam-bato napetraka teny amin’ny CES niarahany tamin’ny kandidan’ny antoko Avana sy ankolafy Ravalomanana. Namadika pejy ny Hasin’i Madagasikara ka mitodika amin’ny ho avy. «Heverina fa hitsangana tsy ho ela ny rafi-pitondrana vaovao ary antenaina fa pejy hafa no hidirana», hoy ny fanambarana navoakany sady mirary ny fitondrana vaovao hahaleo hahalasa. Anisan’ny andrandrainy ny fanatsarana sy fanitsiana ny fehezan-dalàna sy fitsipika rehetra mikasika ny fifidianana mba tsy hamboly krizy intsony ny fifidianana. Eo koa ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy ny fampivoarina ny lalàna mifehy ny tontolon’ny serasera mifanaraka amin’ny toetr’andro ary ny fiarovana ny harem-pirenena voajanahary izay tsy vitan’ny fahefana tetezamita. Ankoatra ireo efa am-perinasa dia am-polony maro ankehitriny ireo orinasa mitily ny harena voajanahary eto Madagasikara toy ny velaran-tany azo volena, ny hazo sarobidy, ny akora isan-karazany ankibon’ny tany, anisan’izany ny solika.

 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT