Nampita hafatra manokana ho an’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ao anatin’izao mbola f
iatrehana ny fetin’ny noely sy taom-baovao izao ny filohan’ny antoko politika DHD, Hary Naivo Rasamoelina. Heverina fa ampy, hoy izy, izay fifandirana sy fifanipazana andraikitra izay. Ny mbola iaraha-miaina dia ny fako maro miparitaka eran’ny tanàna. Na inona na inona lazaina dia tompon'andraikitra voalohany ianao. Ho avy an-kisesy ny andro ratsy. Ny vahoakan’Antananarivo tsy mahalala afa-tsy ianao. Ianao no ho tondroiny ho tompon'andraikitra. Teny zato, kabary arivo, iray ihany no marina dia izay hoe feno fako ny tanàna. Handihy ambony tsikoko hijery girlandy ve? Loza mihantona izany, hoy hatrany ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.