Politique

Harinaivo Rasamoelina Tsy azo ekena ny fanambakana ny Malagasy


  • Alakamisy 02 Desambra 2010


Tsy manana olana amin’ny fanelanelanan’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena ny antoko DHD Madagasikara tarihan’Atoa Harinaivo Rasamoelina izay anisan’ireo mpanohana mahafatrapo ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana. Tsy misy mihitsy ny olana, hoy ity mpanao politika ity raha toa ka mifanojo amin’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ny vahaolana aroson’ny sehatra iraisam-pirenena. Mazava be ny zava-misy amin’izao fotoana araka ny nambaran’Atoa Harinaivo Rasamoelina fa mifampiankina ny zava-misy rehetra maneran-tany ary tsy afaka miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany i Madagasikara. Mila atao mazava kosa anefa ny fifanarahana araka ny nambarany fa tsy sanatria hatao hampahazo vahana ny vahiny izany rehetra izany. Tsy maintsy atao mifanojo amin’ny filana ao anatin’ny fanatontoloana ny filana sy ny fiaraha-miasa soniavin’ny mpitondra Malagasy araka ny fahitan’ny DHD Madagasikara azy, saingy tsy azo ekena ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao, na ny fifehezan’ny mpanambola ny sehatra politika sy ara-toekaren’ny firenena Malagasy, araka ny efa nitranga hatramin’izany. Nijoro, mijoro ary hijoro hanohitra izany fomba fanambakana izany ny DHD Madagascar araka ny nambaran’ny filohany Harinaivo Rasamoelina

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT