Hofaritana tsy ho ela ny foibe hitantana ny resaka fanagiazana ny harena azo amin`ny tsy ara-dalàna.
Navoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny didy hitsivolana amin`ny fahafahan`ny fanjakana manageja ireo harena azo avy amin`ny kolikoly, ny famotsiam-bola ary famatsiam-bola entina mampihorohoro. Teboka lehibe miisa dimy no nivoitra tao anatin`izany. Nasian-teny ny fomba hamaritana ny harena azo amin`ny tsy ara-dalàna. Notsindrina fa ny fanjakana no manana fahefana hanenjika ireo manao izany sy hampamerina ny vola. Voafaritra ao anatin`io didy hitsivolana io fa azon`ny fanjakana atao avy hatrany ny mitazona ny fananan`ireo tratra manatanteraka izany. Hisy kosa ny sampandraharaha manokana hisahana ny famohana didy sy fitazonana an`ireo harena ireo eo anivon`ny fitsarana izay antsoina hoe: “chambre de gel et de la saisie et de la confiscation des avoirs illicites ». Hosaziana herintaona an-tranomaizina miampy fandoavana onitra 10 hatramin` ny 100 tapitrisa ariary kosa ny famoahana ny tsiambaratelon`ny famotorana sy ireo izay mamoaka mikasika ny fanenjehana ireo mpangoron-karena amin`ny tsy ara-dalàna. Didy hitsivolana farany navoakan`ny filoham-pirenena amin`ny alalan`ny fahefana manokana nomen`ny antenimiera azy ny mikasika ny fanagiazana sy famerenana ireo vola sy fananana tsy manara-dalàna na ilay antsoina hoe “recouvrement des avoirs illicites”. Azo antoka fa hafana ny tontolon`ny politika satria vao nigadona teo amin`ny fitondrana ny filoham-pirenena somary niendrika valifaty politika teo amin`ny antoko HVM ireo fanapahan-kevitra maro samihafa noraisiny. Maro rahateo ireo olon`ity antoko ity no voarohirohy amina raharaha maro samihafa. Ho sahy hampihatra lalàna amin`ireo olona mialokaloka eo aminy ve ny filoha Rajoelina ? Andrasana izay ho tohin`ny raharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.