Mitohy hatrany ny asa sosialy fanaon’ny Fikambanana Fanantenana FAFI V sy ny filohany Hanitriniala Raholdina, indrindra, amin’izao ankatoky ny noely sy taom-baovao izao, hoy ny fampitam-baovao.
Zokiolona miisa 500 avy amin’ny fokontany Ivandry, Amboditsiry ary Ambatomainty no nisitraka ny fanampiany ka notolorany vary, menaka, biskoitra sy vatomamy ary sokola ho an’ny zafikeliny. Mpanasa lamba an-jatony koa no notolorana Sio, koveta, savony, vary, biskoitra sy sokola ary fanomezana hafa. Hitohy hatrany amin’ny fokontany hafa izao hetsika izao ary efa fanaon’ny fikambanana hatramin’izay niforonana. Fifanampiana sy fifampitsinjovana amin’izay eo am-pelantanana no atolotra am-pitiavana ka na tsy mahavita taona aza dia mahavonjy ihany, hoy hatrany ny fanazavana. Nanamafy tamin’ireo mpanasa lamba ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina fa na ny kaominin’Antananarivo aza miandraikitra mivantana ny “Borne Fontaine” sy ny fanasan-damba ka dia hanara-maso sy hiaro ary tsy hanaiky izay mpitarika fikambanana manodina volan-drano izy ary tokony tsy maintsy fantatry ny sefo fokontany avokoa, hoy izy, ny zava miseho eny amin’ny fokontany ka tsy mahazo mitantana fanasan-damba sy pompy fatsakana ireo izay efa ratsy fitantana teo aloha manodinkodina volan-dranon’ny paompy sy “bassin”. Mitsinjo an’ireo tena sahirana, mahantra sy miady amin’ny tsindry hazolena ny fikambanana araka ny filamatra hoe “Aza manao kely tsy mba mamindro!”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Hanitriniala Raholdina mizara ireo fanampiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.