“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:
Efa "confinement total" sy "Etat d'urgence" isika dia maninona no mbola omena safidy ny mpampiasa tsy miankina? Olombelona toa anao, toa ahy ireo ary mety efa misy mitondra ny virus na koa mety hifindran' ny virus. Handeha tongotra ny ankamaroany, ho reraka sy ho kely hery fiarovana. Tandremo fa raha mbola mitohy ny fitavozavozana sy ny tsy fandraisantsika rehetra andraikitra dia hitombo avo 2 na 3 na 4 avo heny io antotan’isa io afaka ora na andro vitsy. Ireo olona sahirana tsy tratran' ny aretina, mety ho reraky ny hanohanana.Ny vola tsy misy, ny fanararaotana marobe.Isika tsy zatra "discipline". Aleo samy hiezaka daholo hanaraka ny torimarika, hoy ity depiote eo amin`ny boriborintany voalohany. Manao antso avo amin` ny Mpitondra ny tenany mba tsy ho tara intsony ny fandraisana andraikitra ary tsy resaka ambony latabatra intsony izao. Matoa Toamasina, hoy izy, nandraisana fepetra koa dia efa ao raha koa samia mailo sy mitandrina. Nohamafisiny fa miara-miatrika sy miara-mizaka aloha ary tsy misy azo atao afa- tsy ny miaro- tena sy miaro ny hafa amin'ny tsy fivoahana ny trano.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.