Politique

Hanitra Razafimanantsoa Tsy hanaiky ho lembenana intsony


  • Talata 28 Mey 2019

Rehefa nahavita ny adidy amin'ny maha olom-pirenena azy ny kandida Hanitra Razafimanantsoa tao amin` ny EPP Andavamamba dia niroso tamin'ny fitsidihana biraom-pifidianana. Nahatsikaritra izy fa somary ambany ny tahan’ny fandraisana anjaran'ny mpifidy.

 

 

 

 Nohamafisiny kosa fa tsy hanaiky lembenanana intsony izy ireo satria tamin` iny fifidianana filoham-pirenena iny dia nanetri-tena ary am-pahendrena no nangalan` ny Filoha Ravalomanana ny fanapahan-kevitra nanaja ny didim-pitsarana tsy azo ivalozana ary noho ny tombotsoan` ny firenena mba tsy hisian` ny korontana sy fanimbana sanatrin` ny vava no handorona tanàna indray ka nijanona nanaja ny didy. Efa nilaza ombieny ombieny ny antoko TIM nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny fa tsy hanaiky intsony ny fanitsakitsahina ny zon` ny vahoaka, ny fangalaram-bato, kolikoly… satria ny teny filamatry ny antoko dia “Mijoro amin`ny fahamarinana sy ho tombon-tsoa ho an` ny vahoaka” ka tazomin` ity kandidà ity hatramin` ny farany izany. Tafiditra ao anatin` ny singan` ny demokrasia ny fifidianana ka tokony hizotra ampamarinana izany, hoy izy. Efa nametraka fitoriana amin` ny olona tsy fantatra anarana (plainte contre X) ary naka fepetra manokana amin`izay hieritreritra hanao hala-bato na hosoka na hividy safidin` ny mpifidy. Mpisolovava ny Maitre Hanitra, hoy ny tenany, sady manana mpisolovava “Legal Team” miasa hatramin` ny SRMV, na amin` ny foibe ary mandeha any amin` ny toerana rehetra manome ny toromarika tokony atao. Handrasana kosa ny HCC sy CENI hanao ny andraikitra sy ny asany am-pamarinana araka ny fianianana izay nataon`ireo avy. Ny HCC nanao fianianana hiasa am-pamarinana sy hanaja ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Tsy hitongilana kosa ny CENI ka manantena izy fa hanaja izay fianinana izay natao. Vita iny ny fifidianana filoham-pirenena ary fifidianana manakaiky vahoaka no atrehina ka tena olona ho solombavahoaka lany eo anivon` ny distrika misy azy no ho lany eo fa tsy olona ho voavidy vola na koa hividy vola azy ireo, izay fanetriben` ny firenena. Tanjona ny hoe ady amin` ny kolikoly ka raha mbola hanohy izany dia aleo tsy misy intsony ireo andrim-panjakana ireo, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Raha ny vokatra vonjimaika, tsy mbola ofisialy hatry ny halina dia anisan’ireo kandida natolotry ny TIM mitarika amin’ny isam-bato i Hanitra Razafimanantsoa ary laharana voalohany eny amin’ny boriborintany voalohany – Antananarivo renivohitra

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT