Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanaiky hihinana amam-bolony intsony izahay”


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Matetika ny lalàna mifehy tetibolam-panjakana dia tara dia tar any fahatongavany, kanefa efa fantatry ny governemanta, fa izany no lahadinika tsy maintsy jerena amin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity,

 

 

 hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly teny amin’ny CCI Ivato, fotoana nisokafan’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena. Aoka hatao tonga ara-potoana ny LFI 2021 mba tsy hinana amam-bolony fotsiny izahay solombavambahoaka. Marina fa misy ny tetika madinidinika, atao taratara tsy ahafahan’ny depiote tena mandinika. Izahay depiote TIM dia hijery amin'ny antsipirihany izay andalana mahakasika ny maharary ny vahoaka, indrindra ireo fampanantenana maro natao tao anatin'ny fiatrehana ny covid-19, indrindra ny resaka sosialy, ireny zavatra rehetra nolazaina tamin’ny fihibohana ireny, mba ahafahana manara-maso ny asan’ny governemanta izay asan’ny depiote, hoy izy. Volam-bahoaka rahateo no ampiasaina.

AZO HENJEHINA NY MPANATANTERAKA

 Nambaran’io solombavambahoaka io fa tsy tokony hohadinoina ny maha andrim-panjakana ny antenimierandoholona na inona na inona tsy fitiavana ny Filohan’io andrim-panjakana io. Andrim-panjakana mbola mijoro io, mbola tsy tapitra ny fotoana iasainy, ary tafiditra ao anatin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana amin’ny hanaovana fivoriana ara-potoana. Andrim-panjakan’ny Repoblika io, ary azo hanenjehana ny Mpanatanteraka izao fanaovana fahirano ny antenimierandoholona izao. Tsarovy fa misy olom-boafidy ihany koa ao, ka tsy tokony hoviraviraina tahaka izao. Ny fanaovana tsinontsinona ny andrim-panjakana voasoritry ny lalàmpanorenana mihitsy no tsy mety, hoy izy. Nahitsy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa nilaza fa fahambanian-tsaina ny zavatra tahaka izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT