Politique

Hanitra Razafimanantsoa Nanakiana mafy an’i Lalatiana Andriatongarivo


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Tsy isika no namorona ity asa fanaovan-gazety ity, fa isika maka tahaka ny nataon’ny vahiny.

 

 

Toy izany ihany koa ny demokrasia. Aza mieritreritra hiverina any amin’ny taon-jato faha-18. Tsy mahomby intsony ny hoe anao irery na “monopole” amin’izao, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre momba ny raharaha lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety sy ny fifanolanan’ny OJM sy ny Minisiteran’ny serasera. “Lalàna efa niadivana tamin’ny fitondrana teo aloha iny niadivana iny. Tsy nolanianay tao amin’ny antenimieram-pirenena io lalàna io, fa nisy karazana “miracle” nandeha”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Gaga aho mandre hoe ny Minisitry ny serasera no ambadiky ny fanenjehana an’i Rolly Mercia izay minisitry ny serasera teo aloha sady mpanao gazety no ao ambadiky ny dosie izao sy izao. Mbola hotsarain’ny tantara, ianao tsy hoe “clean”, ny vadinao any amina minisitera iray ihany koa misy resaka be. Raha mba maodely ianao tsy olana, hoy io depiote io nanakiana ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Miady an-trano ny mpitondra, miady an-trano ilay iray asa, miady an-trano ny mpanao gazety, miverina amin’ny jadona isika. Hitanay mpanao gazety ireny milahatra nanisy “scotch” amin’ny vava ireny, fa ny amin’izao tsy lavitra an’ireny, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Aiza no ahitanao hoe olona 88 handrafitra ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety Mikasika ilay filanjakana vatam-paty teny amin’ny 13 mey, dia aza afangaro amin’ireny ny TIM? Mitadiava ianao sary fa tsy mahita lohana TIM ianao ao anatin’ny sary. Tsy niomana tamin’ireny filanjana vatam-paty ireny izahay, fa zavatra “surprise” natao ireny, hoy iHanitra Razafimanantsoa. Efa fanaon-dry zareo ilay milanja vatam-paty.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT