Misy tamin’ireo fitaovana tao amin’ny ozinin’ny TOP (Tiko Oil Product) sy ny Margarinerie Toamasina re fa lasa any amin’ny nosy Maorisy, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly nandritra ny fandaharana manokana nandeha tamin’ny haino aman-jery.Fitaoana avy any Allemagne izy ireo,
ary mazaa tsara ny marika, ny laharana sy ny mombamomba azy ireo ka noho izay mora no nanara-dia sy nitsirika azy ireo.Mino aho, hoy ny depiote Hanitra fa rehefa mahafantatra ny Maorisianina fa entana halatra ireo tonga any amin-dry zareo ireo dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra izy ireo.Manamafy ity olom-boafidy ity arak’izany fa nisy ny fandrobana ny entan’ny Tiko tao amin’ireo ozinina narodana tao Toamasina; resaka izay mandiso izany ny filazan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo tany Toamasina ny sabotsy teo nanizingizina fa hoe efa rindrin’efatra sisa no tranon’ny Tiko narodana tao Toamasina fa tsy nisy fitaovana intsony. Ny fanadihadiana ihany moa no hahafantarana ny momba ity raharaha ity.
Fanodikodinana volam-panjakana
Ankoatr’izay natsikafon’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ihany koa fa fanodikondinana volam-panjakana tsotra izao ny hoe nalefa any atsimo ny anjara tetibolan’ny Antenimierandoholona.Tsy hoe ny famonjena ny mpiray tanindrazana ianjadian’ny kere no tsy mety, fa tsy fanao , hoy izy ary tena fahotana mahafaty izany hoe volana andrim-panjakana iray efa voasoratra mazava ao anatin’ny tetibolam-panjakana no ovaina ny lalany na afindra ny fampiasana azy.Izany no tena hoe fanomezana ohatra ratsy amin’ny fitantanana ny firenena, hoy ny Maitre Hanitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.